<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Ny Mpamonjy no mitady
 Fihavanana aminao ;
 Izy no manambitamby
 Hanatonanao izao ;
 Sao manjary fandatsana
 Ny fifonana aminao,
 Ka ny mety, mihavàna
 Amin'ny Mpamonjy izao.

[V2]
 Dieny misy hafanana
 Ka mangoraka ny fo,
 Manatòna ny Mpamonjy
 Sao dia mangatsiaka indray
 Izao no andro famonjena,
 Ka vonjeo sao neninao ;
 Ry mpanota, miverena
 Izao ankehitriny izao.

[V3]
 Sao ity no toriteny
 Fara-fanasana anao ;
 Sao anio no fotoana
 Fara-fahavelomanao :
 Ka aza mba misalasala,
 Sao manjary neninao,
 Raha tsy mety mahalala
 Izao fotoana mety izao.

[V4]
 Indrisy ! be ny fahotako,
 Be ny ratsy vitako ;
 Sao tsy raisin'ny Mpamonjy
 Ny mpanota tahaka izao ?
 Miverena, fa ny rany
 Ampy hahadio anao ;
 Manatona hosasany
 Izao ankehitriny izao.</lyrics>
<title>Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao FFPM354</title>
<hymn_number>354</hymn_number>
<author>I.D. Sankey</author>
</song>